<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Ny androm-pahasoavana
 Maneho zava-baovao ;
 Mahazo fahasambarana
 Izao tontolo izao.
 Ravoravo ny efitra maina
 Mbamin'ny tany karankaina ;
 He, torina ny teny soa,
 Ka dia afaka avokoa
 Ny olom-bery maniry ho
 velona.

[V2]
 Ka miandrandra ny lanitra
 Ny malahelo izao ;
 Mihoby izy fa sambatra
 Nahazo aina vaovao.
 He, vahàna ireo migadra,
 Afaka ny midradradradra,
 Mitsambikina ny mandringa,
 Faingana izy sady kinga,
 Ary mihoby ny lelan'ny
 moana.

[V3]
 Ny very no tadiavina
 Mba hody amin'ny Ray ;
 Ny maty dia velomina
 Ka ravo mandrakizay,
 Izy dia mifady ny ota,
 Noho ny lova tsy ho tonta,
 Sady manaraka Azy Tompo,
 Izay voaeso sy voahombo,
 Amabara-podiny any
 an-danitra.</lyrics>
<title>Ny androm-pahasoavana FFPM455</title>
<hymn_number>455</hymn_number>
</song>